4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy misy ny doria - Dadah

Hiara – hiaina ny andro androany

Ho toy ny andro farany

Hiara higoka izay mety ho mamy

Mandra – paha lefin’ny farany

Ny maso hikipy tsy hahita

Ho tapitra ny fofon’aina

Ho hanenenana izay tsy vita

Fa ny ankoatra tsy ilàina

Satria ny vintana sy anjara

No mamaritra ny dia

Rahampitso ny lalantsika mety hizàra

Satria tsy misy ny doria

Ny vintana sy lahatra

Mety hamingana ny dia

Ny ho avy tsy voatery ho tonga lafatra

Satria tsy misy ny doria

Ny ampitso fanontaniana

Mety ho vatàna hangatsiaka

Handeha hioty izay zava – tiana

Dia ny masoandro mbola baliàka

Isaky ny andro izay mifoha

Mety ho farany io fa tadidio

Ka ataovy andro fenosoa

Ho fahataperana ny anio



Dadah

Partager tsy misy ny doria

Commenter tsy misy ny doria

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah