4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tso-drano - Dadah

’Zahay mivady toa sondrian-tory

Mihevitra anao ho ankizy foana

Nony nihiratra taitra tsy hitahita akory

Hay moa ianao tonga taona



Hay moa tokoa ianao hary elatra

Te hanana zo, te handeha, te hivelatra

Vita ny adidin’i Dada sy Neny

Efa voninkazo ’lay voa novoleny



Handeha, tsara tso-drano

Tsy ho azon-tsapina, tsy hidiran’angano

Handeha, soava tsara

’Zay vao tena lehilahy



Be ny tafahoatra be koa ny tsy ampy

Na ny anatra na tambitamby

Be ny sakantsakana be ny fandrarana

Toa tara toetr’andro izahay mazàna



Nefa izay moa no mba noheverinay ho tsara

Satria ny tianay no tsara dimby sy fara

Aza tsiny mety tsy ho tsara daholo

Ny mba fanirianay nitaiza sy nikolo



Handeha, ny any aloha no banjino

Ny fahendrena no vatsy aza hadino

Handeha, mahità ny mamy

Mba ho lavitra tomany



Lasa nandeha ka hisidina irery

F’efa lehibe tsisy handidy tsisy hanery

Handimby ireo zoky hiantsorok’adidy

Ny mba fanirina tsy ho ratsy safidy



Handeha, mahaleova

Ianao no dimby ianao no handova

Handeha, ny anarantsika

Aza avela ho entin-drika









DADAH

Partager tso-drano

Commenter tso-drano

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah