4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsara tso-drano - Dadah

’Zahay mivady toa sondrian-tory,

Mihevitra anao ho ankizy foana,

Nony nihiratra taitra tsy hitahita akory,

Hay moa ianao tonga taona,



Hay moa tokoa ianao hary elatra,

Te hanana zo, te handeha, te hivelatra,

Vita ny adidin’i Dada sy Neny,

Efa voninkazo ’lay voa novoleny,



Handeha, tsara tso-drano,

Tsy ho azon-tsampona, tsy hidiran’angano,

Handeha, soava-tsarà,

’Zay vao tena lehilahy,



Be ny tafahoatra, be koa ny tsy ampy,

Na ny anatra na tambitamby,

Be ny sakantsakana, be ny fandraràna,

Toa hoe tara toetr’andro izahay mazàna,



Nefa izay moa no mba heverinay ho tsara,

Satria ny tianay ho tsara dimby sy fara,

Aza tsiny mety tsy ho tsara daholo,

Ny mba faniriana nahay nitaiza sy nikolo,



Handeha, ny any aloha no banjino,

Ny fahendrena no vatsy aza hadino,

Handeha, mahità ny mamy,

Mba ho lavitra tomany,



Lasa nandeha ka hisidina irery,

Efa lehibe tsisy handidy, tsisy hanery,

Handimby ireo zoky, hiantsorok’adidy,

Ny mba faniriana tsy ho ratsy safidy,



Handeha, mahaleova,

F'ianao no dimby ianao no handova,

Handeha, ny anarantsika,

Aza avela ho entin-driaka.





DADAH

Partager tsara tso-drano

Commenter tsara tso-drano

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah