4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tonga ny alina - Dadah

Tonga ny alina

Natao hatoriana

Nefa maro ny tsy milamina

Sy be fanahina



Ao ’reo namoy olon-tiana

Miari-tory tsy fidiny

Fa nolalovam-pahoriana

Alina feno ngidiny



Ao ’reo izay mitsabo tena

Mahatsiaro marary aina

Tsy mety kivy fa manantena

Mbola ho tojo ny maraina



Tonga ny alina

Ny ditra no mitsaitsaika

Fa ny hendry sy ny malina

Mamonjy fodiana maika



Ny tonta kely sy ny jiolahy

Atosim-pahantrana

No tsy miraika fa sahisahy

Handeha handromba ny tanàna



Ny vehivavy vatana

Miasa fa tsy resi-tahotra

Miandry izay hitantana

Ka midola tsy mihaotra



Tonga ny alina

Alin’ny mpiriaria

Mahatonga azy hiarina

Hiala mandry satria



Be ’reo toerana azony aleha

Fotsy varavarana

Dia mandany vola be

Toy ny tsy nisasarana



Dia ataony ’zay rehetra tiany

Ny devoly aza fohazina

Hanatontosa izay iriany

Zanaky ny aizina



Tonga ny alina natao hatorina





DADAH

Partager tonga ny alina

Commenter tonga ny alina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah