4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Satry ihany - Dadah

Satry ihany ho tsiky no hameno, handravaka ny tavanao

Mba tsy hiketrona intsony ny tarehy

Satry ihany ho hira no heno, hivoaka ny molotrao

Mba tsy ho taraina intsony no ho re



Indrisy anefa mbola tomany

No manamando ny tava

Noho ny fahoriana misesy

Mbola toloko ihany

No mivoaka ny vava

Fa fahantrana tsy mety resy



Satry ihany ianao tsy ho noana, ary koa tsy hangetaheta

Mba tsy handry fotsy lava izao

Satry ihany izay manoloana, tsy ho feno hery setra

Ka hilamin-tsaina fehizay ianao



Indrisy tsy misy miditra am-bava

Ny tenda koa zary maina

Ny tsy fisiana tsy mahavoky

Mbola tebiteby lava

Tsisy hilaminan-tsaina

Sady kivy ianao no very toky



Ianao mihezaka hatrany

Hihoatra ho tafita

Tsy miraviravy tanana

Tsy maintsy mbola hivaly ihany

Tsy maintsy hahita

Ny anjaram-piadanana





DADAH

Partager satry ihany

Commenter satry ihany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah