4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rasazy - Dadah

Anio ianao no nifidy ho avy

Hameno ny isanay mivady ho mpianakavy

Efa ela nanirina hanana kilonga

Anio ianao no ho tonga



Ny ranon-doha efa vaky

Mba hanamora ny dianao mba halakilaky

Reninao te-hivoka matetitetika

Hay ianao no manesika



Ikoto sa Ikala,

Iza no mahalala

Mety iray mety roa

Tiako avokoa

Fa ’zay tonga tsy ho laviko

Fa ho lalaiko ho tiaviko

Satria ho tompon’ny ho aviko



Tonga Rasazy namazivazy

Hoe aza taitra ianao Rangaha f’io mandeha ho azy

Rehefa nitsapa izy dia nilaza

F’efa akaiky hatomotra ny zaza



Raha vonona ianao dia miankara

Mitsilania etsy ambony farafara

Eo ambonin’ny tavy no misaveraka

Tsitsio ny aina sao dia reraka



Ikoto sa Ikala

Iza no mahalala

Mety iray mety roa

Tiako avokoa

Fa ho tiako daholo

Na iray ny eo na folo

F’izaho vonona hanolokolo



Nanomboka ary ny ady lehibe

Ny fanenan’i Neny no hany sisa re

Ny fisefosefony, ny tabataban-dRasazy

Nanome torimarika ho azy



Izaho nandositra tsy sahy nijery

Vehivavy lehibe io ka aleo hiady irery

Tany an-dalatsara aho no nisomebiseby

Kivikivy sy nitebiteby



Mba ho tafavoakany ve?

Asa re?

Izy anie mbola tsy zatra

Ndrao maratra

Ny saiko nizarazara

Miandry izay ho anjara

Na ho ratsy na ho tsara



Nivoha ny varavarana

Dondona ery aho nanarangarana

Ny fitsikin’i Neny no nitsena ahy

Ho izy hoe:"kambana vavy sy lahy...."









DADAH


Partager rasazy

Commenter rasazy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah