4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny lasantsika - Dadah

Ny lasantsika

Tsy hay hofafana

Tsy mety mangatsiaka

Fa tadidiko mazàna



Ireo safosafo

Sy angolangola

Namela afo

Tsy mety tola



Toa tsy tantin’ny saina

Ny mieritreritra fa

Ianao ’lay nolalaina

Mitampify an-tratran’olon-kafa



Ireo teny mamiko

Naverinao ho azy

Hay izy ireny tamiko

Mbola vazivazy



Izaho no namafy

Ny hafa no nijinja

Izaho ’ndray no nihafy

Fa nilaozanao nifindra



Natao lamba tonta

Natsipy toa rovi-damba

Zary natotatota

Lany tsirony angamaba



’Lay vatanao mangovitra

Raha tojo afaliana

Ny ambany mihovitrovitra

Tsara karakaran’olon-tiana



Ny rangotrangotrao

Tratra hafa no ratrainy

’Reo antsoantsonao

Ny molotrao no tsenainy



Tsy ilay nisolo toerana

No ankahalaiko

Fitia tsy azo ferana

Ny fahavaloko hajaiko



Fa ianao kosa

Mbola antenaina

Mbola tsy afa-trosa

’Zaho ve dia hiala maina





DADAH

Partager ny lasantsika

Commenter ny lasantsika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah