4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny hira - Dadah

Ny hira, ny hirako no mba hany namany

Hitodihana, hitodihako rehefa manimanina

Manimanina ny ankany, manina ny tanindrazana

’Zay any ambadika any ho any

Lavitra tsy hita tazana



Ny hira, ny hirako no alefako miampita

Hitsidihana, hitsidihako ny any ambadika tsy hita

Izy io no hitanisa ny alaheloko aty

Sy zava-maro tsy hita isa

Mampanahiahy ahy



Ny hira , ny hirako no alefako mamangy

Ireo havana, ireo havako mba hiarahany misangy

Hitoetra ao am-po, am-pon’ny tsirairay

Hisolo toerana aho aloha

Mandra-pahatonga ahy







DADAH

Partager ny hira

Commenter ny hira

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah