4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nofy - Dadah

Omeko anao mba hanjakanao ny habakabaka

Ny kintana azoko hakana hataonao firavaka

Na ny masoandro aza sakanako tsy hatory

Mba hanome hafanana sahaza ny fonao oriory



Votom-pahorina

Ngolin’ny tsy fananana

F’izay mba irina

Tsy misy hananana



Etsy akipio ny masonao roa

F’izao hirinao anio ho azonao avokoa

Fa manan-karena nofinofy ho aho

Ka azoko omena izay rehetra tianao



Raha sendra hetaheta

Omeko anao ny ony

Sotroy ’zay laninao rehetra

Mandra-pahatony



Raha toa sendra mosary

Ho tolorako sakafo

Na laoka na vary

’zay tena tsara sy lafo



Raha sendra hirifiry

Omeko mpitsabo ianao

Na firy na firy

Eran’izao tontolo izao



Raha te hitety tany

Hanodidina ny tontolo

Na aiza n’aiza izany

Hataoko hitanao daholo



Raha izay vola foana

Tsy ho zakanao babena

Tsy avelako ho naona

Hampiondanako harena



Raha tianao ny tany

Sy izay rehetra ao

Raha ilainao izany

Dia atolotro anao



Aoka, aoka aloha, avelao hitohy ny nofy

F’aza mbola mifoha, ny zava-misy tsy mitovy

Ary ianao toa tomany, mangina sombinaina

Ao, manofisa ihany, raha toy izany no ilaina



Fa ny nofy tadidio

Hitovizana amin’ny maro

Ny maso fotsiny no akimpio

Ny saina no ampiakaro



Ooooo.......

Partager nofy

Commenter nofy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah