4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miketrona avokoa - Dadah

Miketrona avokoa

Ny hoditrao manontolo

Ela niarahan-droa

Tafaray fotsy volo



Ireo masonao mainty manga

Nihafotsy ho azy teo

Ny nifinao maro banga

Mahatonga anao hiova feo.



Izaho kosa savolaina

Vokoka sy trotraka

Efa miharitra aina

Efa mihatrotraka



Efa manao poa

Efa miverin-tsaina

Mangozohozo loha

Efa manaintaina



Isika no ela netezana

Fa ny fontsika tanora aok’izany

Ianao no taolan-tehezana

Andefimandry hatrany.



Mikisaka raha mamindra

Mihilangilana

Mikaviavia mirindra

Bila sy vilana



Nefa mbola mitosy

Mbola miangoty koa

Rangahibe sy rafotsy

Mbola mifankatoa



Ny ankizy nokoloina

Tsy misy tsinjo intsony

Tsy hita ho antsoina

Efa voafehy ireo fony



Teto isika roa

Tojo ny farany

Asa izay handeha aloha

Miandry ny anjarany



Fa raha ianao no lasana

Matesa faingana aho

Tsy hitia ela ny fasana

F’izaho tsy mahafoy anao



Ny faniriako hatrizay

Ny hiara antitra aminao

Fa ny avo no nampiray

Zao ve vao hifandao



Tsy tantiko ny ho irery

Raha banga ny toeranao

Tsy misy mpankahery

Koa avia re alao



Ho tapany aho fa tsy ho iray

Aza ilaozanao toy izao

Hiara lavenona hiara kitay

Hiara maty aminao

Partager miketrona avokoa

Commenter miketrona avokoa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah