4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miandry anao - Dadah

Mbola irery (2) toa tononkira tsisy feony

Hiandry ilay mozika iray nefa toa ela no fisehony



Fa fitia ts’isy mpiventy ka lasa nivezivezy

Miandry (2) miandry anao handrakitra azy ho solfezy



Ianao no eto hamelona ireo teniko

Ny eritreritro, fanantenana sy fitia nafeniko



Ny hany tena faniriako fitia hiara-miangaly

Miandry (2) miandry anao handrakitra azy ho an-tsaly

Nitady izay feony mba tiako aho nitety sy nifindrafindra

Nefa raha tsy nivalana ireny dia redone tsy nety hirindra



Be reo feo nifandimby nefa tsisy azoazo

Miandry (2) miandry anao hahatonga ny fitiavako vazo



Feo no sisa no andrasana dia ho tontosa ny hirantsika

’Lay tononkira nosoratako horavahanao mozika



’Zao aloha dia mbola irery fitia mandeha ila

Miandry (2) miandry anao handrakitra azy ho kapila

Partager miandry anao

Commenter miandry anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah