4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Meloka - Dadah

Fantatro fa tsy azo atao

Meloka aho ny mitia anao

Saingy tsy voatanan’ny foko

Tia anao an-tsokosoko



Ho tanako am-po tsy hilaoka

Noferaka tsy navelako hivaoka

Nefa toa hery tsy hay tohaina

Tiako hodradradradraina



Fa eo ianao anilako eo

Hitako sy reko feo

Toa akaiky nefa tsy takatro

Tsy ho ahy ianao fa fantatro



Fa ny anao ny fo efa manan-tandrify

Efa eny an-tratrany eny ianao no mitampify

Ny ahy misy tady eny am-bozonana

Midiridiry tsy hay takonana



Ny taonantsika koa manelanelana

Izaho efa halazo ianao vao voa hamelana

Ianao hary elatra mety hisidina

Izaho efa hitsingidina



Ny tanantsika te hifanantona

Nefa tsy mihaona akory indreny mihantona

Izaho mitia nefa tsy manantena

Ny lalantsika tsy hifanena

Partager meloka

Commenter meloka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah