4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Medley - Bodo featuring poopy

Fa fony vao namony ny fitiavako anao

Nanomboka nazava ilay jiro nitsilopy

Ho tonga ny havandra sy ny orana nikija tonga hisompatra

Nanapaka ny taho sy namono ilay afo

  Tsy naharitra aho fa lasa

  Nanefy akany vaovao ho ahy

  Hanorenako indray ilay fitia nitsahinao

  Nandratra ahy



Tsy hitamby aminao, na mangidy aza izany

Maika mantsy ho fantatrao, ka izaho tsy hitomany

Ka ny hoaviko eny indrisy, efa nopotehinao

Hosaronako ilay tsiky, amin’zay tsy ho fantatrao

  Tsy ataoko ho fantatrao ny ratram-poko ao

  Sao araraotinao hampijalina ahy indray

  Ataoko toy ny hoe tsy tiako intsony ianao

  Hiala aminao aho sy hanadino anao



Oram-be mivatravatra kotro-baratra

No nalaiko ho namanao

Tsy hamoy fo alahelo an-tanin’olona aho

Fa nataoko hampatsiahy ilay akany lavitra

  Na ny mamiratra aza no hanambazana ahy

  Tsy nahasarika ahy ireo fa ianao

  Ry tany mamiko no nampanembona ahy

  Nierikerika aho fa sao tao ianao

  An-tsaina sisa no nahitako anao



Ny sitra-pony vitany nefa ianao feheziny

Lay fahafahanao toa nitsahiny, tsy tsaroany fa

Ireo toky sy dina nentiny nambabo anao

Hay rotsirotsy fotsiny hampatory anao

Hitanao izao f’ilay fitiavany dia tsy natolony ho anao

Fa ho an’ny tenany



Sombinaiko ho anao no amoronako ity hira ity f’efa

Tsy ho ela dia ho avy ilay ora iray iandrasako anao

Fantatro fa tsy safidinao ny ho tonga ety an-tany

Tsy lanitra no hitsena anao na paradisa koa



Mangahiahy tsy misy hitarainana

Tsy mana-namana tsy manan-kavana

Toa kamboty zary singan’olona

Mavesatra ny fahanginana



Mifendrofendro toa vonton’ny tomany

Toa fenofeno ary sy manimanina

I dada sy i neny tsy eo anilany

Tsy hita izay ho sarangotina



  Fa firy moa no mba mijery izany

  Eny firy koa no mba manampy azy

  Misy ireo miraviravy tanana

  Toa mafy fo tsy mba miantra namana

  Fa firy moa no mba mijery izany

  Eny firy koa no mba manampy azy

  Ka tolory tanana aho mba jereo

  Fa aza avelanao ho irery fotsny eo

Partager medley

Commenter medley

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo featuring poopy