4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ilaiko ianao - Bodo

Ireo teny fankahery finidinao ho ahy
Ireo toky sesehena fanala ahiahy
Naverimberinao amin’izay azo atao
Tsy   kajo   anao

Nanaiky   ianao ny hiaino
Izay notantaraiko
Tsy taitra ianao, tsy tezitra
Nisava ny saiko
Noheveriko efa very aho
Soa fa teo ianao

Koa raha mbola misy
Ny andro iainako indray
Dia mbola misy ny ora
Hivavahako amin’ny Ray
Mba hangatahiko ny fiadananao
Eny, tsotra ianao ka mendrika ahy

Ireo toetra fahendrena
Nitazainao ahy
Ekeko fa harena ary ataoko fanahy
Ho mafy ato anatiko
Ho tsangambato
Tsy haiko ny hanadino, ireny tambitamby
“Mangina mangina”, raha sendra aho mitomany
Tsisy tsiny aho, raha eo anilanao

Koa raha mbola misy
Ny andro iainako indray
Dia mbola hisy ny ora
Hivavahako amin’ny Ray
Mba hangatahiko ny fiadananao
Eny, tsotra ianao ka mendrika ahy

Tsotra ianao, ka mendrika ahy

Ilaiko ianao, raha azo atao
Aza mbola mandao
Fa izaho mila ano
Ianao no azo iainana
Tsara fisainana
Ilaiko ianao

Ilaiko ianao, aza mandao
Ilaiko ianao, fa izaho mila anao
Ilaiko ianao

Ilaiko ianao, anilanao tsy very
Ilaiko ianao, fa ianao mahay mankahery
Ilaiko ianao

Partager ilaiko ianao

Commenter ilaiko ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite