4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ifonako - Bodo

Ifonako fa sandoka, ny avona taloha
fa be no tsy voalazako,noho ny hambom-po
fa ny saiko no tezitra   sy nanjaka fa tsy ny fo
ny dongidongiko aminao,ifonako ihany koa
ny toetrako efa mankalao, mivalo aho tsy hanin-droa
soa ianao fa teo, be fitia
ka tsy tonga dia to fo

Mamelà ahy mamindrà fo
Hiezaka ao ho tony aloha
fa banga anao ny fiainako
raha lavinao, mamela ahy
mitsikia aloha

ny kitakita tampoka ifonako ihany koa
ny teny tsy voalanjako
nanohina ny fo
ny fakam-panahy hilaza
fa ianao tsy tia ahy

mamela ahy....

fa toky no omeko anao, sy ho tanterahiko
fitia tsy vasobasoka no indro atolotro

Partager ifonako

Commenter ifonako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite