4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fony aho - Bodo

fony aho

Fony vao namony ny fitiavako anao
Nanomboka nazava ilay jiro mitsilopy
Dia tonga ny havandra sy ny orana nikija
Tonga hisopatra, hamono sy handrava ilay hazo novoleko

Tsy naharitra aho fa lasa nanefy akany vaovao ho ahy
Hanorenako indray ilay fitia notsahinao nandratra ahy

Ka rehefa lalim-paka sy tafajoro tsara ilay hazo novoleko
Dia tonga indray ianao handrava sy hiantso hoe: andao tsy
... fandavana hatrany no nasetriko izany taminao
Ny vao tsy manitra no ratsy rehefa tonta iray ihany

Tsy naharitra fa lasa nanefy akany vaovao ho ahy
Hanorenako indray ilay fitia notsahinao nandratra ahy

AVELAO AHO HITOETRA RAHA MISY FAHANTRAKO
FA MAMIKO NY ANKANIKO KA TSY FOIKO IALANA

BODO

Mazotoa mihira an! Fiainana daholo izany e! Fa efa teo koa aho no niala e!

Partager fony aho

Commenter fony aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite