4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny andriamanitra inoako - Bessa sy lola

Ny Andriamanitra inoako, Andriamanitra fitiavana
Tsy Andriamanitra masiaka mpanasazy
Tsy Andriamanitr'antoko, tsy mpanavaka foko
Tsy mpijery harena na fiaviam-pirenena,
Fa ny Andriamanitra inoakao hantra sady honena
Ka ny olona rehetra mahazo azy
Tsy mpizara alahelo, tsy mamorona helo
Fa Izy no fitiavana

Ny Andriamanitra inoako tompon'ny fahendrena
Te hanova izay ratsy ho tsara
Tsy mba faly manjera na revolisionera
Fa manarina hatrany ireo maditra eto an-tany
Ny Andriamanitra inoako Andriamanitra fitiavana
Tsy mba mila takalo fa mizara
Ny mandray izay omeny no hany fandreseny
Fa Izy no fitiavana

Partager ny andriamanitra inoako

Commenter ny andriamanitra inoako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bessa sy lola

Suite