4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Misy antony - Bessa sy lola

Izay mitantana ahy tsy maintsy miaritra
Ka hampianatra ahy izay tiany hatao
Azoko itokiana koa fa haharitra
Fitavozavozako fanao

Izay ekeko ho tena toky sy namako
Ho mpitarika ahy rahatrizay
Dia izay mahay mitana ny tanako
Raha sendra mba lavo aho indraindray

Efa fantatrao daholo ny toetrako
Ka tsy misy miafina aminao
Hitanao izay tontolo rehetrako
Ratsy ireo na soa imasonao

Fiv :
Izany no antony
Andraisako ny fitiavanao
Izany no antony
Ifidianako anao

Partager misy antony

Commenter misy antony

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bessa sy lola

Suite