4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manaova ny mety - Antsan'i Kristy

Tsisy tompon'ny ampitso manaova ny mety
Fa toerana fandalovana eny ihany ny ety an tany,
Ka nahoana mifandrafirafy lava o!
Sy mifankahala, fa mety hampalahelo an'i Jesosy Tompo malala,
Manenina anie raha hilaozany eto....
Mba mahaiza mibebaka sy mifandefitra
Izay toetra ratsy azo ntsika harenina hareno malaky
Fitaka sy soloky fankahalana o!!
Ndao hariina izany, izay te hibebaka sy hiova dia raisaina ihany
Manenina anie raha hilaozany eto....

Samia miambena isika rehetra
Ho avy tsy hampilaza anie ny Tompo hitsara antsika
Ka tandremo re razoky o!! sao tsy fantany intsony
Malalaka ny fotoana nomeny hisafidianantsika
Ho amin’ny fiainan-tsy hita ve sa ho amin’ny fiaina-mandrakizay
(Sao manenina) Manenina anie raha hilaozany eto…

Manaova ny mety isika rehetra
Ny fiainana an-tany koa mba misy fetra
Koa araraoty ny tàna-mitsotra sy feo miantso malefaka
Ka dieny izao e!! Manaova ny mety

Partager manaova ny mety

Commenter manaova ny mety

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsan'i Kristy