4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny fitempo'ny foko <3 - AMBONDRONA

1
Eny an-dalana aho, eny @arabe
Mihevitra sao mba ho hitako eny
‘Lay salovana efa mahazatra ahy
Nofiko ao anatin’ny alina
Namany aho nefa izaho tsy sahy
Ilay endrika efa haiko tsianjery
Vitako sary an-tsaina, tsy an-kijery
Na mitabataba aza ny tontolo,
Na ho takona aza aho tsy ahoako akory
Fa ny hanitrany ampy ahy hanimbolo.

Ref :
Dia ity fo manontany,
injao ny saina hamaly
tsy maintsy mbola ho fantany eo ihany.

Ho reny manakoako any
Ny fitempon’ny foko
An-tsaina fotsiny izy aloha no fihiniko
Fa rehefa eo izy zaho mody tony
Nefa tsy te hiala eo intsony

2
F’izany anefa indraindray
Ty fo tokana mitempo iray
Te hamoaka izay mba faniriana
Miverina manahy ny efa noahiana
Raha lavina koa mbola fahoriana

Ref :
Dia ity fo manontany,
injao ny saina hamaly
hoe aleoko miandry hatrany
tsy maintsy mbola ho fantany eo ihany.

Ho reny manakoako any
Ny fitempon’ny foko
An-tsaina fotsiny izy aloha no fihiniko
Fa rehefa eo izy, zaho mody tony
Nefa tsy te hiala eo intsony

Dia ity fo manontany …
… Nefa tsy te hiala eo intsony

A.K.T.M

Partager ny fitempo'ny foko <3

Commenter ny fitempo'ny foko <3

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMBONDRONA

Suite