4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mbola ho avy ny andro - Aina Quach & Erick Manana

Mbola ho avy ny andro ahatsiarovanao ahy,

Amin’ny ora tsy ampoizimpozina,

Mbola ho avy ny andro hampahory ny fanahy,

Hanembona ahy ianao ka hiodinkodina,



Mbola ho avy ê ! irony nenina ê !

Hitsako ny hadalàna, hangidy izay telina ê !

Mbola ho avy ê, hangirifiry be,

Efa tsinjoko hatraty sahady fa ho ranomaso be,



Mbola ho avy ny andro hanakoako an-tsofinao,

Ireo dinantsika izay nosehinao,

Mbola ho avy ny andro hivatsy ny famerim-bolanao,

Hohitanao eo ihany izany ngidiny à !



Mbola ho avy ê tsaroako tsara anie

Fony aho nilaozanao anie ka nahatsiaro fanina ê

Mbola ho avy ê, tsy ho ela akory anie

Mbola higoka ianao ny ngidin’ny ranomaso nateliko ê.








Partager mbola ho avy ny andro

Commenter mbola ho avy ny andro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Aina Quach & Erick Manana