4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hira iray - AINA COOK

Nanalavitra ahy,
Takona tsy tazako intsony
Ilay endrikao, namao ahy
Nitorotoro teo ny foko,
Any aminao ny saina
Manoratra hira ho anao
Ny foko mitaraina

Hetraketraka,
Masiaka ny fiainana,
Manasaraka
Isika samy mbola tia,
Nefa nozarainy
Tsy nifankahita
Soa fa nifankatia

Chorus:
Raha any ianao
Henoy aho
F’ity hira ity anie no antenaiko
Hanambatra antsika indray.
Raha henonao,
Dia mino aho f’izaho sy ianao tsy hangaiahy
Izy no hampiray,
Hira Iray

Ka n’aiza ianao
Dia tiako fo fantatrao
F’ity hira ity
Hira ho antsika, milaza
Fa mbola tia, indrisy
Tafasaraka tsy fidy
Ka any andro iray
Hiaraka-hikalo azy indray

Ilay fihaonan-tsika no mba iriako
Hiaraha-mandihy
Amin’ilay hiran-tsika sy anao
Isika hampiaram-peo
Tena ho mamy indray



Lyrics by: Donnat Rasamimanana
Composed by: Donnat Rasamimanana
Mastered by: Daddy Rasamimananana
Powered by: D.U.W 1203

Partager hira iray

Commenter hira iray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AINA COOK