4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vavaka - AGRAD&SKAIZ

Ankafizo ary euh!!Miaraka(Vazo parole en ligne)Sur facebook


REF :
impiry aho nanota teo imasonao
kanefa ianao tsy mba nandao
raha toa ka renao ry Raiko izao antso izao
dia mifona aho mitalao
nanananana…….

SKAIZ :
Androtsay ilay fanahy masinao
fa mamay ny ady entin-janakao
ireo fahoriana, fijaliana
mba anesory fa aza ampina
mifamaly amin’ny fiainana mafy lafa izao
fafao ato aminay ny hakiviana
dia mba soloy ilay fifaliana
ireo olana maro ry Ray mba vahao

REF :
impiry aho nanota teo imasonao
kanefa ianao tsy mba nandao
raha toa ka renao ry Raiko izao antso izao
dia mifona aho mitalao
nanananana…….

AGRAD :
ity aho fa resy ka ny finoana ato amiko hamafiso
tantano aho Ray tsy hirona hoany @ lalan-diso
aza avela manjaka ato anatiko ny herin’ny maizina
mpanota nefa diovy kosa Tompo fa aza faizina
raha tena izahay ny hoavin’ny firenena
ireo tanora mitovy amiko omeo amboaram-pahendrena
fanahy kolokoloina
fa indray2 mitady animbanay ny fanantontoloana
any ho any, misy mijaly manontany
hoe ohatran’ny ahoana ny lokon’izany fahasambarana izany
ity aho mitalao, fa tsisy hafa tsy ianao
no afaka ivimbina ho an’ireny izany maraina vaovao
Gasikarako moa! oviana vao mba iova
mbola fahantrana hatreto aloha izao ny ataoko lova
fa mino aho fa ho hampianarinao mihaino ireo mpitondra
ka handre ireo hetahetanay na iray minitra monja
ny mpankahala ny fahavaloko,
ovay ny fony, hahay hitia ny kalokaloko
teneno izy fa mifona t@ izay teniko nandratra
ao fa ovaiko teny mamy foana @ izay ireo latsalatsa
Raiko tsy mba manavaka
hainoy fa izany ilay vavaka

REF :
impiry aho nanota teo imasonao
kanefa ianao tsy mba nandao
raha toa ka renao ry Raiko izao antso izao
dia mifona aho mitalao
nanananana…….

Partager vavaka

Commenter vavaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AGRAD&SKAIZ