4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Antso ho anao - HOSANA

Raha misy ratra am-po

Na azom-pahoriana ianao

Dia lalana lalovana io

mba hanefena anao

Na dia mavesatra aza

Tsy hanarina ny finoana

Ho maivana aminao

Rehefa JESOA no antsoina

tsarovy koa fa maro

No mivavaka ho anao

Izay efa niharam-pahoriana mafy toy izao

Iray no hitokiany

Dia JESOA zay tsy mandao

Nampody ny aizan-dava

Ho maraina vaovao



Matetika na sambany ianao

No hiharam-pitsapana toy izao

Dia aoka hazava tsara

Fa misy tiany ambara

Fitiavana no anton’ izao;

sady efa antso ataony aminao

Hiovanao fo raha tsy fantatrao

Valio izao antso izao

Na maloka aza ny andronao

Tsy mety mibaliaka

Hijery anao hatrany anie

’lay ANDRIAMANINTSIKA

Mahay ny zavatra rehetra ’zay tsy takatrao

Hampody ny aizin-dava ho maraina vaovao



Matetika na sambany ianao

No hiharam-pitsapana toy izao

Dia aoka hazava tsara

Fa misy tiany ambara

Fitiavana no anton’ izao;

sady efa antso ataony aminao

Hiovanao fo raha tsy fantatrao

Valio izao antso izao

Na maloka aza ny andronao

Tsy mety mibaliaka

Hijery anao hatrany anie

’lay ANDRIAMANINTSIKA

Mahay ny zavatra rehetra ’zay tsy takatrao;

Ka manatsotra tanana Izy ta-handray anao


Partager antso ho anao

Commenter antso ho anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HOSANA