4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Faingàna re jeso - Antsan'ny kristy

ny fisenton'ny foko
angamba fantatrao
voaratra sy voavono
voageja tsotr'izao
voatohina hatrany
ny hery ato anaty
mikiky mahafaty
ka mila anao azao

nahoana loatra Ray
nahoana no izaho
no hianjadian'ny ratsy
sy loza rehetra izao
no mbola ampahorianao
faingàna re ianao Jeso
hanavotra izao

ny zavatra ilaiko
ny fiadanam-po
tsy vola na harena
'zay tsy zakanao
miangavy anao aho
mandady raha azo atao
avoty ny mahantra
mijaly lava izao

ref:nahoana kosa Ray...

fa fifaliana ihany
fifaliana ao aminao
faingàna re ianao Jeso
hanavotra izao
(2 fois)

Partager faingàna re jeso

Commenter faingàna re jeso

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsan'ny kristy