Inona,inona,
No anaovan'ialahy ahy tsinontsinona,
Manavaka trano hidirana,
Sa ve ialahy,mifidy,
Fihodirana.......
Zahay ety,
Mijinja ny mafaitra,
Mitaty ny tsy laitra,
Tsy afaka manoatra
Iandrasana,hitondra takaitra,
Zay ngamba ialahy vao taitra,
Sao dia mba tara loatra....
Potika,potika,
Fo sy saina rotidrotika,
Miantomboka,ny faharavana
Ka eo ilay,ry,ry figadrana..
Foiko,foiko,
Raha ny foko no henoiko
Hanome ny Aiko,
Mba ho sorona,
Ka ny fanahiko,hitovy
Amin'ny vorona......
Aoka aho,
Mba ho tompon-tsafidy,
Mba tsy havela hihidy,
Ty vavako miteny
Ampy ho ahy izay,
Nitondra mangidy,
Tsy tiako ho tadidy,
Reny rehetra ireny...
F'izaho sy ialahy,
Hamafy hafaliana,
Hanome fanampiana,
Ny mitovy amiko,
Raha eo ialahy,
Hiteny ireo nangiana
FAHAFAHANA no iriana,
Ho an'ny Taniko..........