le clip gasy de Miara mihira Dadah-poopy-Fafa

 
   
 
 
Miara mihira - Dadah-poopy-Fafa
Dédicace de Raharimpanana le 04/04/2008 : valio ny fanotaniako e - Dédicace de Emi le 07/02/2008 : Tena mbola hafa mihintsy aloha ry dadah sy Fafah rehefa mivazo e! ,Indrindra moa fa noravahan'i feo manga sy kanton'i POOPY lafatra e!ka dia atolotro ho an'ireo namana tsy adino sy havana tiana rehetra any Dago ity vazo manja ity mazotoa mihaino o! Ampitiavana Emi - Dédicace de Jotabe le 08/01/2008 : manja be ny gasy rehefa miaramihira poopy dadah fafah misaotra tsarabe ny miaraka - Dédicace de Raparany le 07/04/2007 : ho an' ilay malala 49 -
Parole de chanson
Dadah : Tsaroako ny niatombohanao
Zazazaza fihetsika Zazazaza feo
Toa tsy noheverina ny hotafaraka
Na dia mitovy tsy sahala ny kantotsika roa

Be ny fahagagana aterany
Izany no hahalalana ny heriny
Androtoko tsy mitovy aza natambany
Toy izao anio izao miara-mihira no anao

Poopy : Mbola tsaroako toa tsindrin-daona ery
Miomankomana maraina hijery anao
Ireo hirahiranao latsaka anatiko
Niara-nitombo tamin’ny taona nankafiziko

Be ny fahagagana aterany
Izany no hahalalana ny heriny
Na ny nofinofy aza tanterany
Toy izao anio izao miara-mihira no ao

Miaraka : Mateza maharitra tsy hita faritra
Tafaray avokoa ny izao sy taloha
Tantarainy ao avokoa ny ratsy sy ny soa
Ny hirahira izay tena hafa tokoa

(Solo instr)

Fafah : Mba toa anao koa izahay, tamin’ny andronay
Mazoto mandeha ery, hijery hankafy
Izao mba anjaranay ny mampihira indray anao
Mampiara-peo anio hirahira no atao

Be ny fahagagana aterany
Izany no hahalalana ny heriny
Na ny nofinofy indraindray tanterany
Toy izao anio izao miara-mihira no ao

Miaraka : Mateza maharitra tsy hita faritra
Tafaray avokoa ny izao sy taloha
Tantarainy ao avokoa ny ratsy sy ny soa
Ny hirahira izay tena hafa tokoa

(Solo instr)

Tena hafa tokoa…
Miara mihira miara mikalo
Miara mihira miara mikalo
Miara mihira miara mikalo
Vu : 10967 fois
A reçu 32 coup de

Genre de musique :
Envoyer en tant que carte postale à un(e) ami(e)
Partager sur facebook
Faire une dédicace
Ajouter ce clip à vos playlists
Problème avec le clip
Les autres chansons de Dadah-poopy-Fafa
Miara mihira
 
 
  GasyKaManja.com © Tous droits réservés, la reproduction de cette page même partielle est interdite.