Artiste : Dadah-poopy-Fafa
Titre : Miara mihira
Genre :
Vu : 6334 fois
A reçu 19 coup de 

Envoyer ce clip comme une carte postale à un ami 
Tononkira :
Dadah : Tsaroako ny niatombohanao
Zazazaza fihetsika Zazazaza feo
Toa tsy noheverina ny hotafaraka
Na dia mitovy tsy sahala ny kantotsika roa
Be ny fahagagana aterany
Izany no hahalalana ny heriny
Androtoko tsy mitovy aza natambany
Toy izao anio izao miara-mihira no anao
Poopy : Mbola tsaroako toa tsindrin-daona ery
Miomankomana maraina hijery anao
Ireo hirahiranao latsaka anatiko
Niara-nitombo tamin’ny taona nankafiziko
Be ny fahagagana aterany
Izany no hahalalana ny heriny
Na ny nofinofy aza tanterany
Toy izao anio izao miara-mihira no ao
Miaraka : Mateza maharitra tsy hita faritra
Tafaray avokoa ny izao sy taloha
Tantarainy ao avokoa ny ratsy sy ny soa
Ny hirahira izay tena hafa tokoa
(Solo instr)
Fafah : Mba toa anao koa izahay, tamin’ny andronay
Mazoto mandeha ery, hijery hankafy
Izao mba anjaranay ny mampihira indray anao
Mampiara-peo anio hirahira no atao
Be ny fahagagana aterany
Izany no hahalalana ny heriny
Na ny nofinofy indraindray tanterany
Toy izao anio izao miara-mihira no ao
Miaraka : Mateza maharitra tsy hita faritra
Tafaray avokoa ny izao sy taloha
Tantarainy ao avokoa ny ratsy sy ny soa
Ny hirahira izay tena hafa tokoa
(Solo instr)
Tena hafa tokoa…
Miara mihira miara mikalo
Miara mihira miara mikalo
Miara mihira miara mikalo
|
| Les autres clips de Dadah-poopy-Fafa |
 |
| Miara mihira |
|