Artiste : Johary
Titre : Aloka
Genre :
Vu : 7693 fois
A reçu 16 coup de 

Envoyer ce clip comme une carte postale à un ami 
Tononkira :
Ianao taloha, nanintona ahy,
nahasarika ahy
Ianao taloha lay nantenaiko,
no lalaiko
Satriko moa, ho isika roa
Nefa nangaina,
heri-po verimaina
Efa fantatrao, Efa vitanao
Nanalavitra ahy
Nefa ny alokao toa
Eo anilako eo
Izaho moa niantso anao,
Nitady anao
Ianao koa ilay nandà,
Tsy nandray ahy
Niova ny fo, Niova tokoa
Nanary dia,
nanavao ilay fitia
Efa lasa any aho, f'efa vizana
Tsy mahandry anao
Nefa ny aloka toa
Mbola ao (x3)
Naontsa ahy, ny sentosentonao
Ianao nandao, nanintsan'ahy…
Nanalavitra ahy
Nefa ny alokao toa
Eo anilako eo
Efa lasa any aho, f'efa vizana
Tsy mahandry anao
Nefa ny aloka toa
Mbola ao
Efa fantatrao, Efa vitanao
Nanalavitra ahy
Nefa ny alokao
Eo anilako eo
Mbola ao (x2)
|
| Les autres clips de Johary |
 |
| Aloka |
 |
| MATOA E MANONJA |
 |
| TE HO SOA |
 |
| MATOA E MANONJA |
|